Politique

Antoko FIDEM Mila «force exécutoire» ilay tondrozotra !


  • Talata 20 Septambra 2011


 Manao ranolava ny fanehoan-kevitra manoloana ny nanasoniavan’ireo ankolafy politika am-polony ilay sori-dalana tapaka tany Sandton. Ho an’ny antoko FIDEM (Fiombonan’ny Demokraty Malagasy), eo anivon’ny ankolafy Zafy Albert dia dingana ihany iny vita iny, dingana lehibe saingy mbola misy ezaka goavana miandry amin’ireo fanovana ireo zavatra tsy mety eto amin’ny firenena. Araka ny fanazavan’i Maurice Beranto, mpitarika ity antoko ity, dieny izao dia tokony hatsangana ny “force exécutoire” na hery fanatanterahana iny sori-dalana iny. Tsy tokony hiandry ny fahavitan’ny sonia eo amin’ireo filohan’ny ankolafy ny fametrahana azy io.

Araka ny fanazavany dia mety efa nijoro ihany ny «force exécutoire» matoa niova hevitra tamin’ny ora farany ireo mpiara-dia amin’ny FAT raha niziriziry izy ireo fa tsy hanao sonia raha tsy ny sori-dalana nasian’ny Dr Salomao fanitsiana. Araka ny fahitan’ny FIDEM ny raharaham-pirenena dia tokony hisy fivoriana eo amin’ireo ankolafy politika rehetra nanao sonia iny sori-dalana iny handinihana momba ny praiminisitra sy ny governemanta, ny momba ny Kongresin’ny tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sy ireo rafitra hafa. Heverin’ny FIDEM moa fa tokony ho ao anatin’ity «Force exécutoire» ity ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny Vaomieran’ny ranomasimbe indianina na ny COI, ny SADC sy ireo hafa.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT