Tafapetraka ny CES vaovao. Miantso ireo mpitsara vaovao mandrafitra azy tsy hanaraka ambokony ny tsindry ataon’ny GIC-M ny antoko Farimbona.
Hamafisin-dRandrianasolo Efraima ny mampitombina sy maha ara-dalàna ny firotsahan’ireo kandida telo izay nanambarany fa matoa Ratsiraka Didier, Ravalomanana Lalao ary Rajoelina Andry nirotsaka dia mahalala tsara ny zava-misy sy izay rehetra mbola hatrehiny. Amin’ity Parlemantera avy amin’ny UDR-C ity dia tsy midika ho fandravana ny didy navoakan’ny CES teo aloha ny fandrafetana CES vaovao fa fisorohana ny mety ho ahiahy tsy hihavanana, eo amin’ireo mpiara-miombon’antoka nanao sonia ny tondrozotra. Mitaky koa ny fanatontosana fifidianana solombavam-bahoaka koa ny antoko Farimbona misy azy raha toa ka tsy mbola vonona ny filoham-pirenena.
Tsy tokony ho lafiny ara-bola, hoy izy ireo no mibaiko ny CENI-T fa ny foto-kevitra ka tokony handresy lahatra ny Firenena Mikambana izy ireo, satria anjaran’ny governemanta ny mitady vola hanatanterahana izany fifidianana izany. Nilaza koa izy fa vanimpotoanan’ny diplomasia vaovao baikon’ny tombontsoa iombonana izao no mihatra fa tsy mitombina ny filazàna fa tsy handroso sy tsy hisy hanampy i Madagasikara raha tapaka ny fifandraisana amin’ny fianakaviambe irasam-pirenena. “Ny fahasahiana mijoro miaro ny fiandrianam-pirenena dia hampirisika ireo firenena hafa ho tonga eto amintsika ary hahatonga ireo firenen-dehibe nifandraisantsika hatramin’izay hanova ny politikam-pifandraisany amintsika”
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.