Ny ady amin’ny fahavalo iombonana dia ny coronavirus amin’izao no tena maika ho an’ny antoko Fanorolahy, tarihin’ny filoha nasionaliny JoséRandrianary.
Izao no fotoanan’ny fifanomezan-tanana eo amin’ny samy Malagasy hoy izy ka tokony hajanona avokoa ny hambom-po politika sy ny fitsikerana maro samihafa. Nanatanteraka ny anjara tandrifiny ity antoko ity tao anatin’ny tapa-bolana izao ka ankoatra ny fizarana aron-tava ho an’ireo vahoaka sahirana manamorona ny lalam-pirenena faharoa miazo an’i Toamasina sy ny lalam-pirenena faha-efatra miazo an’i Mahajanga dia tsy diso anjara tamin’izany ihany koa ireo mpitandro ny filaminana izay manatanteraka ny sakana ara-pahasalamana eny an-dalana, ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Mahitsy, ny teny Ampanotokana…. Nivoitra nandritra ny resadresaka nifanaovan’izy ireo tamin’ireo vahoaka sahirana sy tantsaha ny Sabotsy teo fa fantatry ny tsirairay avy tsara ny fisian’ny aretina coronavirus sy ny voka-dratsiny izay mitarika mankany amin’ny fahafatesana. Olana iraisan’ny rehetra anefa ny tsy fananana ireo fitaovana ho enti-miady amin’izany toy ny aron-tava ka na misy aza dia iray isan’olona ihany na aron-tava roa hifandimbiasana olona valo mianaka. Toraka izany koa ny mpitandro ny filaminana saingy soa ihany fa nandalo ny antoko Fanorolahy, manatanteraka ny adidiny amin’ny maha-tia tanindrazana azy. Samy Malagasy rahateo hoy ny filoha nasionaliny Randrianary Jose ka tsy maintsy mifanampy sy mifanohana. Narahina fampianarana moa ny fanolorana izany aron-tava izany toy ny fanasan-tanana amin’ny savony matetika mba ho salama lalandava, ny fanajana ilay elanelana 1 metatra ary ny fanasana hatrany ny aron-tava izay natokana ho an’ny isam-batan’olona fa tsy azo hifandimbiasana. Tsiahivina moa fa ny antoko Fanorolahy hatreto no hany antoko politika miezaka manampy ny vahoaka, ankoatra ireo antoko matanjaka. Anisan’ny efa nahafantarana azy hatramin’izay ny fanomezana sakafo ny sahirana, ny fizarana masomboly ho an’ireo tantsaha mpamokatra. Toraka izany koa ny fanalana ireo fako mivangongon’Antananarivo nentina niadiavana tamin’ny aretina pesta ary ankehitriny indray dia manone tanana amin’ny ady hatao amin’ny coronavirus izy ireo. Tonga nanatrika izany ny filoham-boninahitry ny antoko Rabesahala Frederic sy ireo mpikambana sasany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.