Mitohy hatrany ny asa sosialy tanterahin’ny antoko Fanorolahy. Taorian’ny nandraofan-dRandrianary José,
filoha nasionaliny sy ny ekipany ireo fakon’Antananarivo nivangongo tetsy sy teroa iadiana amin’ny mety ho fihanaky ny aretina pesta dia namboly hazo teny Ampanotovana Ambohidratrimo indray izy ireo omaly. Zana-kazo miisa 200 no novolena, nahitana zakaranda sy filao. Ny Ong graine de vie no nanome maimaimpoana ny zana-kazo izay misy haparitaka any amin’ny faritra ihany koa. Tanjon’ny antoko Fanorolahy moa ny hamerina ny faritra Analamanga ho faritra maitso indray taorian’ny nahafantarana fa tany ana hetsiny ha no efa lasa menafify eto amintsika vokatry ny fandripahana ny ala sy ny doro tanety. Mbola hitohy any amin’ny faritra ny hetsika. Miantso ny rehetra mba hanao tolo-tanana hamerenana an’i Madagasikara maitso volo moa ity antoko ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.