Politique

Antoko DHD Mikorosy fahana ny fiainan’ny isam-pianakaviana


  • Talata 01 Jolay 2014

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny dia naneho ny heviny sy ny fijeriny ny antoko DHD Madagasikara tarihan-dRasamoelina Hary Naivo........

Toherin’ny antoko tsy misy indrafo ny rafitra sy ny fahefam-panjakana ary ny fijery mpanjanaka sy mpangoron-karena amin’ny endriny rehetra na ny avy eto an-toerana na ny avy any ivelany. Tsy misy fitoniam-piainan’ny isambatan’olona  eto Madagasikara ankehitriny. Mikorosy fahana ny fiainan’ny isam-pianakaviana. Mitsingilahila ny toekarena sy ny mpandraharaha.   Mandry an-driran’antsy isan’andro izao ny isam-bohitra sy ny isan-tokantrano. Tsy matoky tena ary tsy mifampatoky intsony ny olom-pirenena tsirairay. Maty  momoka ny fanantenana sy ny fanovana vaovao. « Ravaravain’ ny iraisam-pirenena izay fehezin’ny mpanjanaka vaovao   ny fifamatoran’ny fiarahamonina Malagasy. Feheziny ny fahefam-panjakana. Bodoiny mivantana na an-kolaka ny harem-pirenena. Tsy mahavaha ary tsy mitsinjo ny tombontsoan’ny fiarahamonina sy ny olom-pirenena ny fahefam-panjakana mijoro ankehitriny. Tsy mifanojo amin’ny fijerin’ny antoko DHD Madagasikara ny filozofia politika sy ny fampiharana politika ary ny toetra politika ianteheran’ny Mpitondra ankehitriny sy ireo mpiaradia aminy. Izany no antony tsy nanohanany ny olona na kandida tamin’ny fifidianana teo aloha rehetra. Antoko mpanohitra noho izany ny DHD . Nasiany resaka koa ireo mitonona ho mpanohitra. Maro mantsy ireo antoko na fikambanana tia kely ka mitonona ho mpanohitra satria tsy nahazo na maniry toerana. Tsy marina avy hatrany koa ny hoe naharesy na resy tamin’ny fifidianana dia misalotra avy hatrany ho mpanohitra. Na dia mifaninana aza mantsy izy ireo dia mitovy ihany ny fijery politikany sy ny endri-piarahamonina ary ny fitantanam-panjakana tiany hajoro. Zava-dehibe ho an’ny antoko ny firaisankinam-pirenena. Izany anefa dia fampihavanana mifototra amin’ny firaisankina hampivelarana sy hanatsarana ny tombontsoan’ny fiarahamonina manontolo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT