Politique

Antoko DHD Mikatso ny raharaham-panjakana


  • Sabotsy 20 Febroary 2016

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny antoko DHD tarihin-dRasamoelina Hary Naivo omaly manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny.

 

Nambarany fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy intsony ny raharaham-panjakana amin’izao. Diso lalim-paka loatra ny tsy fahaizana mifehy ny fahefam-panjakana, hany ka mifangaro ny sehatra maro. Voakasik’izany ny fifanjevoan’ny sehatry ny toekarena sy ny mpandraharaha. Miaina anaty kenda roroka lava ihany koa ny sosialy sy ny fiarahamonina ka ahiana ny mety hipoahany. Manjaka ny tsy fandriampahalemana. Tsy mahavaha intsony ny olana eto amin’ny firenena ny safidy sy ny praograma politika narafitra hitondrana ny firenena koa hanairan’izy ireo ny isam-batan’olona mba samy handinika. Nomarihiny fa tsy mpiray tendro ary tsy voarohirohy amin’izao fahefam-panjakana izao ireo antoko sy hery politika tena liam-pivoarana toa azy. Miara-dia amin’ny vahoaka hatrany ny DHD, hoy izy sady manohana ny fitakiana sosialy sy ny fitakian’ny mpiasa ataon’ny sendika sy ny fiarahamonina.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT