Politique

Antoko AVI Nisoavaly an’i Hajo


  • Alakamisy 04 Aprily 2013

Vita ny safidy ho an’ny antoko Avi amin’izay olona tohanany amin’ny fifidianana filoham-pirenana. Zakan’i Hajo Andrianainarivelo ambongadiny mantsy ny ankamaroan’ireo mpitantana ao amin’ity antoko ity.

 Porofon’izany ny fahatongavan’izy ireo tamin’ilay fanambarana tany Ankadinandriana. Raha nanontaniana rahateo Ramaroson Laurent dia nilaza fa fony mbola kandida ben’ny Tanàna i Hajo Andrianainarivelo no efa nanampy azy tamin’ny fampielezan-kevitra ny antoko Avi. Nitohy izany fiarahamiasa izany rehefa nitarika ny hetsika avaradrano i Hajo ka nahazoana olomboafidy maro. Saika teknisianina avy amin’ny antoko Avi avokoa ihany koa no nantsoin’ny praiminisitra lefitra ho mpiara-miasa akaiky aminy, araka ny fanazavany ihany. Te hanambara izany izy fa manaraka ny lojika ny fanohanana ity kandida ity. Misy tamin’ireo mpikambana Avi aza no nilaza fa manohana an’i Hajo hatramin’ny filoha nasionaly Ratsirahonana saingy misafidy ny tsy hiseho aloha ity farany.    

Mipatitaka

Na dia manda mafy ny fisian’ny fizarazarana eo anivon’ny antoko Avi aza Ramaroson Laurent dia tsy takona afenina intsony ny fisian’izany. Misy koa mantsy ny andiany manohana ny Cst Avi Rabetsaroana izay atolotry ny Pnj Mazava. Hatretro anefa aloha dia tsy misy mijoro manohana azy ireo sokajiana ho olon-dehibe ao amin’ny Asa Vita no Ifampitsarana. Araka ny resaka nifanaovana tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sasany dia tsy tantin’ny besinimaro  ny fanapahan-kevitr’ity Cst ity hirotsaka amin’ny anaran’ny Pnj nefa tsy nifampiresaka sy niera tamin’ny antokony akory. Karazan’ny voatsipaka ambavafo ihany izany ity filoha lefitry ny Avi ity. Mazava ny resaka fa nakifika i Sylvain Rabetsaroana ary soavaliana i Hajo Andrianainarivelo.

Légende

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT