“Ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany, ny fitiavan-tanindrazana sy ny fiandrianam-pirenena”, no lohahevitra nanompanana ny fampiofanana andiany faha-4 nomena an’ireo tanora AVI avy amin’ny alalan’ny tetikasa maharitra “AVI Leadership Academy” tamin’ny sabotsy teo tetsy amin’ny Galérie Camoula Analakely.
Na dia niova teo amin’ny ora farany aza ny olona tokony handaha-teny tamin’ity fampiofanana ity dia tontosa hatramin’ny farany ny fampiofanana. Nambaran’Atoa Justin Rakotonirina, izay mpandrindra teknika nasionalin’ny Tanora AVI, fa noho ny fahatsapana fa miditra lalina loatra amin’ny raharaham-pirenentsika ireo hery ivelany ireo ankehitriny no antony nisafidianana ity lohahevitra ity. Aoka tsy ho diso fahavalo isika mpanao politika Malagasy, hoy izy, ka hifanipaka toy ny valala an-karona fotsiny ato anatiny, fa ny fahavalontsika dia ireo avy any ivelany mpiaro ny tombontsoany fotsiny sy ireo Malagasy manaiky izany koa. Antsika i Madagasikara, hoy ity mpitarika ny Tanora AVI ity, isika no zanaky ny tany koa mijoroa, sahia.
Tokony hibanjina sy hikatsaka ny tombontsoam-bahoaka sy tombontsoam-pirenena ny mpanao politika rehetra, hoy ihany izy, fa tsy variana amin’ny adilahy sy ny hoe izaho hiaraka amin’izatsy na hiaraka amin-dry zaroa. Nomarihan’Atoa Justin Rakotonirina fa tanjon’ny tanora AVI ny hanana mpandimby ara-politika hendry, mahay, manam-pahalalana sady matahotra an’Andriamanitra, tsy mangalatra ary tsy mivarotra tanindrazana. Tanora manana fahalalana sy fahaizana ary fahendrena ahazoana mibanjina ny ampitso sy rahafakampitso izay raha atao bango tokana. Maromaro ihany no fitondrana efa nisy ny AVI fa ireo mpitarika ireo aloha no efa lanin’ny Kongresy nasionaly nataonay farany ary heverinay fa mahavita azy ireo matoa mbola izy ireo foana no eo. Efa vonona amin’ny fiatrehana fifidianana rehetra kosa anefa ny Tanora AVI ary efa manana ny kandidà hatolotra amin’izany rehetra izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.