Nanamarika ny tsingerintaona voalohany niorenany ny antoko AVANA tarihin’i Dr Robinson Jean Louis. Tamin’izany no nilazan’ity kandida niatrika ny fihodinana faharoa tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ity fa dia vonona ny hanolo-tanana ny fitondrana mijoro izy ireo. Na izany aza dia hiteny ny marina hatrany izy ireo na anaty na ivelan’ny fitondrana, hampanjariana ny demokrasia.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.