Antoko AVANA Antsirabe

> Mihetsika mafy hampandany ny kandida faha-33


  • Zoma 04 Oktobra 2013


Tsy mahasakana ny fampielezan-kevitra ataon’ny mpanohana ny kandidà Dr Jean Louis Robinson ao Antsirabe mihitsy ny orana tato ho ato izay fa dia mitohy isan’andro ny fitetezana Fokontany. Raha ny fanazavana nomen’i Dô, isan’ny mpitarika ny antoko Avana ao Antsirabe dia sady manentana ny olona hifidy ny kandida laharana faha-33 izy ireo miezaka mampahafantarana ilay biletà tokana fa indrindra ny fampiasana azy izay mbola mampisalasala ny maro. Raha ny fandaharam-potoana dia handray ny kandidà Dr Robinson Jean Louis otronin’i Neny ny vahoakan’Antsirabe rahampitso sabotsy ka ao amin’ny kianjan’ny Piste no hifamotoanana. Fa mialoha izany dia hisy anio ny diabe manerana ny tanànan’Antsirabe hataon’ireo mpanohana sy ireo fikambanana maro mivondrona ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT