Politique

Antoko ATM « Tokony hofoanana ny fifaninanana mpitandro ny filaminana ! »


  • Sabotsy 10 Martsa 2018

Nampahafantatra voalohany tetsy amin’ny Maestro Betongolo ny fisiany sy antom-pijoroany omaly ny antoko politika ATM na Avotse tanendraza Madagasikara. Fikambanana niforona ny taona 2015 tao Toliara izy ity, raha ny fanazavana, no niofo ho antoko politika ny volana oktobra 2017 teo.

 Ny hamerenana sy hanaporofoana amin’ny olom-pirenena fa mitondra tombony ho an’ny firenena ny demokrasia no tanjon’ity antoko manana firehana sosialista liberaly ity, hoy ny filohany, Robert Razaka. Latsaka an-katerena ny firenena ary ny rafitra iray manontolo eto mihitsy no mila ovana. 33 isa ireo mpikambana mpanorina ny antoko ary efa mipariaka amin’ny faritany enina izy. Manana kandida ary handray anjara amin’ny fifidianana rehetra eto amin’ny firenena ihany koa ny antoko. Vahaolana hitan’izy ireo hampiverina ny fandriampahalemana, ohatra, satria tsy ampy ilay hoe mpitandro filaminana 1 no misahana olona 3000 dia soso-keviny ny hanafoanana ny fifaninanana hidirana ho mpitandro filaminana sy ny hanoloana izany ho fifantenana tsotra (recrutement). Amin’izay, afaka 5 taona dia mba mpitandro filaminana 1 ho hisahana olom-pirenena 500 isa. Misy minisitera tokony hahena ny famatsiam-bolany ary misy minisitera tokony ho foanana mihitsy aza, hoy hatrany izy ireo.

J. Mirija


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT