Latsaka an-kady ny firenena, hoy ny filohan’ny antoko « Alliance pour la Refondation et la Renaissance de Madagascar »
na ny ARRMA, Razanakoto Norbert, omaly, teny amin’ny Panorama Andrainarivo ary nisy nandatsaka azy an-kady. Dikan’izany dia tokony ho olon-kafa ivelan’izay nandatsaka an-kady mihitsy no avela hitantana izay zavatra rehetra tantanana eo. Izany, hoy ny fanazavany, no lojika. Tsy midika anefa izany fa tsy mponina eto Madagasikara no tokony hitondra fa rehefa natao ilay izy nomena azy teo ka tsy vita dia mila harenina ny firenena ka ny mpanao politika hafa sy ny vahoaka malagasy no tokony hanao azy. Raha nanontaniana ny mikasika ny heviny mikasika ny fanaovana ny frankofonia eto amintsika moa izy dia nilaza fa tsy misy idiran’ny raharaha politika io fa raha toa misy zava-mitranga tsy mampilamina ny malagasy eto amin’ny firenena dia fanontaniana hafa indray izay. Raha mijery ny resaka frankofonia, hoy izy, amin’izao dia fantatsika fa misy fananganana trano eny amin’ny digy izay miantona kanefa ny eny Ivato dia mandeha tsara. Midika izany, hoy izy, fa misy zavatra atao ao mba hampidirana vola any am-paosin’ny mpitondra fa tsy any amin’ny vahoaka. Ka raha toy ity farany, hoy izy, no itondrana azy dia sahy miteny izahay fa tsy tokony hatao ny frankofonia satria hafetsifetsena no betsaka.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.