Politique

Antoko Aro Riaka Hidina an-dalambe hiaraka amin’ny vahoaka


  • Alarobia 22 Jona 2016

Nivoaka tamin’ny fahanginana indray ny antoko Aro riaka tarihin’ny filohany Rakotonirina Odon Gregoire omaly.

 

 Tsy maintsy miteny izahay, hoy izy ireo satria tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony ny raharaham-pirenena ankehitriny. Nosinganiny manokana tamin’izany ny olan’ny fananan-tany ao Soamahamanina izay toa vao mainka hanomezan’ny fanjakana vahana ny vahiny indray, hoy izy ireo ka hanitsakitsahany ny zon’ny mpiray tanindrazana. Nasiany resaka ihany koa ny mikasika ny fiakaran’ny vidin-tsolika sy ny vidim-piainana nefa tsy re feo mihitsy ny fitondram-panjakana. Raha araka ny feo mandeha, hoy Rakotonirina Gregoire dia misy mihitsy ny mpandraharaha mifehy ny fanjakana malagasy amin’izany izay efa tena tsy rariny intsony. Nasiany resaka ihany koa ny mikasika ny fandanian’ny Antenimierandoholona ilay artikla faha-20 mifehy ny fifandraisana ao anatin’ny cybercriminalité izay notsindriany fa fanaovana antsojay ny mpanao politika sy ny mpanao gazety tsotra izao ka tsy azo ekena. Mba ho fanoherana izany rehetra izany dia hidina an-dalambe hiaraka amin’ny vahoaka izy ireo amin’ity herinandro ity, tsy hangataka alalana any amin’ny prefektioran’Antananarivo intsony. Miantso ny mpanao gazety, ny olon-drehetra ary ny Emmoreg izy ireo mandritra izany, ireto farany izay tsy tokony hanaiky hampiasaina hatao fitaovam-pamoretana intsony ho fanavotam-pirenena.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT