Antoko velona ary tsy azo tsinontsinoavina eto amin’ny firenena ny AREMA matoa nahatratra ny tsingerintaona faha-40 niorenany.
Antoko miasa, hanorina ny hoaviny ihany koa. Nivoitra io nandritra ny tatitry ny fankalazana mitety faritra ny faha-40 taonan’ny Arema nataon’ny birao nasionaly, notarihin’ny sekretera nasionalin’ny antoko Simon Pierre teny Faravohitra ny alarobia teo. Nandritra izany no nampahafantarana fa hitohy hatramin’ny 18 martsa 2017 ny fankalazana, ka taorian’ny renivohi-paritany dia hidina eny amin’ny Distrika ka hatreny amin’ny kaominina izany, hamohazana ireo kamarady Arema hiomana hiatrika ny fifidianana. Nohamafisin’ireo mpitantana nandritra io tatitra io ny ho fandraisany anjaran’ny Arema amin’ireo fifidianana isan’ambaratonga. Mialoha izay dia hisy ny fihaonana sady fifankafantarana bebe kokoa amin’ny samy mpikambana amin’ny volana janoary harahin’ny fambolen-kazo hatao eny Ambohimalaza-Antananarivo Avaradrano amin’ny volana febroary 2017.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.