Mahatsapa ny mpikambana amin’ny komity mpandrindra Nasionalin’ny AREMA (Comité Directeur National) izay nivory teto Antananarivo fa ny fifidianana ihany no lalana hialana amin’izao krizy mangitsokitsoka iainan’ny firenena izao. Malahelo ny fitsipahana ny firotsahan’Atoa Ratsiraka Didier, filoha mpanorina ny AREMA amin’izao fifidianana ho avy izao koa ry zareo. Rajaonarivelo Pierrot no hitany fa manana ny traikefa sy ny fahamendrehana ary fahamarinana ilaina amin’ny maha filoha ka tohanany, ary iantsoan’ny komity ireo ny kamarady AREMA (Andry sy Rihana Enti-manavotra an’i Madagasikara).
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.