Politique

Antoko AREMA An’ny malagasy ny « îles éparses » fa tsy an’ny vahiny


  • Talata 02 Febroary 2016

Nivoaka tamin’ny fahanginany ihany koa ny antoko AREMA manoloana ny tsy fihetsehan’ny fitondram-panjakana amin’ny fitakiana ny îles éparses izay tena mampitaraina ny maro tokoa.

 

Nambaran’Andriamatoa Simon Pierre sekretera nasionaliny fa nomen’Andriamanitra ho an’ny Malagasy ny îles éparses ary ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka no efa nitaky izany voalohany ny taona 1979. Nandritra ny fambolen-kazo izay notanterahiny teny Tsiafahy ny sabotsy lasa teo no nanambarany izany. Zanakazo 1.000 fototra foraha no novoleny ka ny antoko avokoa no nanao ny asa. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny fikambanana sady fanomezana noho ny fahatraran-dRamatoa Céline Ratsiraka vadin’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka ny faha-78 taonany izao. Narahina fikarakarana ireo zanakazo ravintsara 2.000 fototra  novolen’izy ireo teny an-toerana tamin’ny taon-dasa ny hetsika. Nomarihin’ny sekretera nasionalin’ny antoko AREMA moa fa mbola vonona ny handray anjara amin’ny fifidianana rehetra hatao eto amin’ny firenena amin’ny taona 2018 izy ireo ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy iray manontolo.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT