Politique

Antoko AKFM Fanafainganana ny fifidianana ihany no vahaolana


  • Alatsinainy 21 Novambra 2011

Ny mpanohitra no ampangain’ny AKFM fa tomponandraikitra amin’ny fahataran’ny fitsanganan’ny governemantan’ny firaisam-pirenena ankehitriny.

 Tsy azo ekena, hoy i Jaozandry Philippe, filohan’ity antoko ity raha ny demokrasian’ny vitsy an’isa no mitady hampanjakana amin’ny fitantanana ny firenena. Tsy misy afa tsy 3 monja ny mpanohitra raha oharina amin’ireo vondrona nanao sonia ny tondrozotra. Eo anatrehan’izany dia miantso ny filohan’ny FAT sy ny praiminisitra ny AKFM mba handray ny andraikiny ka hanangana faran’izay haingana ny governemanta. Ity farany no hikarakara ny fifidianana izay hany vahaolana amin’izao krizy izao, araka ny fanehoan-keviny ihany. Tafaverina amin’ny laoniny moa ny ampahany amin’ny biraon’ity antoko ity eny Andravoahangy Ambony rehefa nasiam-panamboarana. Ny sabotsy lasa teo no notokanana izany. 4 tapitrisa ariary no lany tamin’ny asa. Miandry ny fahazoan-dalana avy amin’ny Kaominina ny famitana ny ambiny. Ny 40%-n’ny velaran-tany ihany mantsy no nomen’ity farany alalana hanaovana fananganana fotodrafitrasa. Raha tsiahivina dia may io biraon’ny AKFM io ny alin’ny 16 novambra 2010, izany hoe iray andro nialoha ny referandaoma momba ny lalàmpanorenana notontosain’ny FAT.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT