Politique

Anto-bola amin`ny fifidianana depiote Mavesatra ho an`ny antoko sasany


  • Zoma 15 Febroary 2019

Miteraka adihevitra taorian`ny famoahan`ny CENI ny tetiandrom-pifidianana ny fampiakarana ny vola alaina amin`ny kandidà ho solombavambahoaka.

 

 Raha ny fanazavana nentin`ny filohan`ny antoko Avotse Tanendraza Madagasikara (ATM), Robert Razaka, mavesatra ny fampitomboana avo folo heny ny anto-bola harotsak`ireo izay mikasa hirotsaka kandidà depiote satria efatra hetsy ariary lasa dimy tapitrisa ariary. Tsy maintsy mila fahefana avy amin`ny vahoaka mba handraisana andraikitra amin`ny fampandrosoana sy anjara biriky amin`ny fanarenana ny firenena kanefa be loatra ilay anto-bola takiana kanefa hiezaka hijery namana te hiara-kiasa aminy ny antoko ATM. Mahakasika ny fandaniana amin`ny fampielezan-kevitra dia nilaza Atoa Robert Razaka fa arakaraka ny tanàna ny teti-bola hampiasaina. Misy handany miliara  ny mpifaninana hafa fa ny an`ny antoko ATM kosa tapitrisa vitsivtsy. Nomarihany fa misy distrika kely tsy dia zatra vola, na mila aza vola kelikely, fomban-drazana no ilazana azy. Any amin`ireo tanàn-dehibe kosa no zatra vola ny olona ka tsy ilana miresaka foto-kevitra amin`ireny toerana ireny. Nanentana ny olom-pirenena ny antoko ATM mba hanamarina ny anarany ao anatin`ny lisi-pifidianana eny anivon`ny biraom-pokontany. Ny loholona teo aloha Robert Razaka dia tsy vaovao amin`ny tontolo politika fa ny antoko no mbola vaovao na dia efa misandrahaka manerana ny nosy aza ny mpikambana ao aminy.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT