Politique

Anthčlme Ramparany Nisy nanapoizina tamin’ny zava-pisotro


  • Talata 20 Desambra 2016

Nanaitra ny sain’ny maro ny vaovao nivoaka omaly fa nisy nanapoizina tamin’ny alalan’ny zava-pisotro i Anthčlme Ramparany, depiote ao anatin’ny antoko HVM

 

. Tany Fianarantsoa no nisehony tantara ny alahady teo, ary tsy vitan’ny hoe voapoizina ity depiote ity fa mbola voaroba volamena mitentina 6 tapitrisa Ar ihany koa araka ny vaovao voaray. Fantatra omaly alina fa efa nahazo fitsaboana izy ary efa niakatra aty Antananarivo. Raha tsiahivina, efa in-droa voatendry ho minisitra tamin’izao fitondrana izao ny tenany dia ny toeran’ny minisitry ny tontolo iainana ary taorian’izay no nandraisany ny asan’ny minisitry ny fiompiana sy ny fambolena rehefa nisy ny fanovana ny governemanta. Tsy hay na misy ifandraisany amin’ny resaka politika izao na lonilonim-piarahamonina. Nalaza tamin’ny resaka afera teto amin’ny firenena ihany mantsy i Anthèlme Ramparany ary anisan’ny nahatadidiavan’ny maro azy ilay aferana andramena naondrana tany Singapour ny taona 2014. Misy hifandraisany amin’iny raharaha iny ve izao toe-javatra izao ? Milaza mantsy ny fanjakana amin’izao fa tsy ara-dalàna ireo hazo tratra ireo.

 

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT