Anteza Manakara

> Nanome tso-drano ny kandidŕ Hajo Andrianainarivelo


  • Alakamisy 29 Aogositra 2013

Nahazo tso-drano tamin’ny Mpanjaka tao Anteza, Distrikan’i Manakara ao amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany, ny kandidŕ Hajo Andrianainarivelo.

Nanolotra lelavola 520.000 Ariary tamin’ny anarany ho an’ny fokontany 13 tao amin’io kaominina io ny filoha lefitry ny Kongresin’ny Tetezamita azy, Andriantsizehena Benja Urbain, nandritra an’io lanonana fanomezana tso-drano io tamin’iny faran’ny herinandro lasa teo iny. Fanindroany izao no mba nisy manampahefana nitsidika tany Anteza hatramin’izay naha-Kaominina azy izay, ka nohararaotin’ny mponina ny nilaza nivantana ny hetahetany tamin’Atoa Andriantsizehena Benja Urbain. Fanirianay Anteza ny hanatsarana ny lafiny sosialy aty aminay, hoy ny Ben’ny tanàna Randriamahatsara Jean-Claude. Tsy mba manana efitra fianarana manara-penitra ny Ceg eto aminay, hoy izy, ary izahay eto koa tsy manana tsena ka eny amin’ny tany eny ny vokatra no amidin’ny tantsaha. Tratra aoriana loatra izahay eo amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany misy ato amin’ny Kaominina, hoy ity Ben’ny tanànan’Anteza ity noho ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa. Nohazavain’ny filoha lefitry ny Kongresin’ny Tetezamita Faritanin’i Fianarantsoa tamin’ny mponina sy ireo tompon’andraiki-panjakana ary ireo mpanjaka nandritra ny fandalovany tao Anteza ny antony nanohanan’ny antoko RPSD ny kandidà Hajo Andrianainarivelo izay nambarany fa tena vonona hitondra fanovana marina sy fampivoarana ny Faritra rehetra eto amin’ny Nosy.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT