Politique

Antenimierandoholona Vahiny voalohany nitsidika ny Frantsay


  • Alarobia 04 Janoary 2017

Asa avy hatrany no nisantaran’ny FIlohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré ity taona 2O17. Nandray ny Senatera frantsay Oliver Cadic sy ny Ambasadaoro Frantsay miasa sy monina eto amintsika Ramatoa Véronique Vouland izy omaly talata 3 janoary maraina tetsy amin’ny lapan’Anosikely.



  Ho taona vaovao anjakan’ny fiaraha-miasa maharitra eo amin’ny Antenimierandoholona Frantsay sy ny Malagasy  ity taona 2O17, ity  mba hisian’ ny fahombiazana tanteraka eo amin’ny Firenena roa tonta ihany koa, hoy ny Senatera Frantsay Olivier Cadic  nandritra ny fandalovany eto Madagasikara izao. 27 volana no nahalany azy ho Senatera Frantsay, ary fitsidihana voalohany  aty amin’ny Ranomasim-be Indiana isan’izany i Madagasikara izay tafiditra indrindra  amin’ny fifanakalozana traik’efa sy fahaiza-manao eo amin’ny firenena roa tonta. Niarahaba sy nisaotra ny firenena Malagasy ihany koa ity Ambasadaoro ity noho ny fahavitan’i Madagasikara Fivoriana an-tampony ho an’ny Frankofonia farany teo teto Madagasikara.Nambarany ihany koa fa ny fahombiazan’i Madagasikara dia fahombiazana ho an’i Lafrantsa koa ka tokony hifanampy sy hifanome tànana ny  firenena roa tonta  eo amin’ny sehatra rehetra.Ny filohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana  Honoré, kosa  dia niarahaba sy  nisaotra  ireto vahiny ary nirary koa raha nirary   ny hitohizan’ny fiaraha-miasa sy fizarana traik’efa  toy izao, eo amin’ny Antenimieran-doholona Malagasy sy Frantsay ho  tohin’ny efa nisy teo aloha. Nialoha izany dia nisy ny fihaonan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona tamin’ireo Solotenan’ny mpiasa teo anivon’iny Andrimpanjakana  ho fifampirarian-tsoa  mariky ny asaramanitra no sady nanoritsoritana rahateo koa ireo vina sy tetik’asa ho tontosaina mandritra ity taona 2017 ity.


Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT