Politique

Antenimierandoholona - Territoire de la Côte Ouest Nifanakalo traikefa


  • Alarobia 20 Aprily 2016

Fifanakalozana traikefa anivon’ny fitsinjaram-pahefana na “decentralisation”, eo amin’ny samy Nosy,

 

 no nivoitra tamin’ny fihaonana teo amin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Honoré Rakotomanana sy ny Delegasiona notarihan’ny Ben’ny tanàna, Vanesse Miranville, avy amin’ny Kaominina La Possession any amin’ny Nosy La Réunion, ny alatsinainy 18 aprily 2016 tetsy amin’ny Lapan’ Anosikely. Nisolotena ny Faritra Andrefan’i La Réunion na “Territoire de la Côte Ouest (TCO)” ireto Delegasiona ireto. Amin’ny maha mpiahy mivantana ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona no nampisy ny fihaonana teto. Kaominina 5 no mivondrona ao amin’ny TCO, dia ny  La Possession, Le Port, Saint Paul, Saint Leu  ary   Trois Bassins   izay manana mponina 220 000 ao aminy. Fampandrosoana ny lafiny Sosialy, ny fikajiana ny Tontolo iainana, ny fiarovana sy fandrindrana ny  ara-toekarena eo amin’ny orinasa tsy miankina nefa miara-miasa amin’ny fanjakana no laharam-pahamehana amin’ny fiaraha-miasan’i La Réunion sy Madagasikara. Ny faharetana amin’ny fiaraha-miasa no ho loharanonkarena sy tombony ho an’ny firenena roa tonta.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT