Politique

Antenimierandoholona sy ady amin’ny kolikoly Nifanentana tamin’ireo tompon’andraikitra teny Anosikely


  • Sabotsy 25 Jona 2016

Nihaona tamin’ireo Loholona tetsy amin’ny Lapan’Anosikely omaly zoma 24 jona 2016 ny solontena avy amin’ny minisiteran’ny fitsarana tompon’andraikitra amin’ny ady amin’ny kolikoly,

 

 notarihan’ny minisitry ny Fitsarana Andriamiseza Charles, ny Filohan’ny Birao Mahaleotena amin’ny ady amin’ny kolikoly (BIANCO) Jean Louis Andriamifidy ary ny Tale Jeneralin’ny sampandraharaha misahana ny Famotsiambola sy ny Famatsiambola (SAMIFIN) Lamina Boto Tsara Dia.

Nambaran’ny minisitra Andriamiseza Charles fa ny volavolan-dalàna laharana faha-19 sy faha-20 lany tamin’ny Filankevitry ny governemanta ny 8 jona 2016 dia napetraky ny governemanta sy ny komity miatrika ny paikadim-pirenena ho «ady hatao amin’ny kolikoly» sy  «fananganana ny rafi-pitsarana» eto Madagasikara.  Ny Fanambaram-pananana ataon’ny tompon’andraiki-panjakana dia anisan’ny nasiam-panovana koa. Fomba izay manery azy ireo hampihatra sy hametraka ary hanaraka ny ady amin’ny kolikoly any amin’ny sehatra iasan’izy ireo avy izany. Hajoro ihany koa ny komity mpanara-maso sy mpanao tomban’ezaka ny ady amin’ny kolikoly. Misy fepetra tsy maintsy harahin’izy ireo nefa amin’izany ary misy sazy omena azy ireo raha tsy manaraka ny fepetra izy ireo. Misy ny lalàna mifehy ny fanodinkodinana ny fananam-panjakana ary raisina endrika kolikoly avokoa izay rehetra fandikan-dalàna eny anivon’ny biraom-panjakana satria « efa miharihary tsy takona afenina toy ny tafika andrefan-tanàna », hoyAndriamatoa minisitry ny Fitsarana, ny kolikoly eto Madagasikara. Manantena moa ny avy amin’ny minisiteran’ny fitsarana miadidy ny “Ady amin’ny kolikoly” mba ho vonona hiaraka amin’izy ireo ny Loholona amin’izany ka hitondra ho amin’ny Fampandrosoana maharitra eto amin’ny Firenena ary hanana firenena vanona ny Malagasy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT