Politique

Antenimierandoholona Raikitra indray ny fifidianana anio


  • Alarobia 24 Febroary 2016

Miatrika fivoriana manokana eny Anosikely anio manomboka amin’ny 10 ora maraina ireo loholona ka hanohy ny fifidianana ho famenoana ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra.

 

 Neken’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny fanitsiana ny fitsipika anatin’ity andrim-panjakana ity, saingy nisy kosa ny fanamarihana vitsivitsy. Tahaka izao manaraka izao ny firafitry ny birao maharitry ny antenimierandoholona : filoha 1, filoha lefitra 7, kestora 2, mpampiaka-teny 2 ary filoham-baomiera 7. Misy mpikambana ao amin’ny birao maharitra vaovao miisa 7 izany hofidiana indray anio hanampy ireo 5 efa voafidy. Tsy azo ekena kosa anefa, hoy ny HCC ny fanomezana avy hatrany “passeport diplomatique” sy mariboninahitra ireo loholona araka ny fanirian’izy ireo ao anatin’ilay fitsipika anatiny nasiam-panitsiana. Tsy maintsy faritana mazava anaty fitsipika anatiny ihany koa ny isan’ny mpikambana ao amin’ny kabinetran’ny filohan’ny antenimierandoholona, hoy hatrany ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ary tokony hifanaraka amin’ny tetibola eo am-pelatanan’ny fanjakana ny isan’ny mpiara-miasa sy mpikambana ao amin’ny kabinetran’ny birao maharitra sy ny loholona tsirairay avy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT