Politique

Antenimierandoholona Nifidy ireo solontenany eny amin’ny andrimpanjakana


  • Alarobia 15 Jona 2016

Tontosa omaly talata 14 jona tontolo andro ny fifidianana ireo solontenan’ny Antenimierandoholona eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI),

 

 ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tsara tantana (HCDDED) ary ny Fitsarana avo (Haute Cour de Justice).

Araka ny andininy faha-136 andalana voalohany amin’ny lalàmpanorenana dia manendry olona efatra hisolotena azy eo anivon’ny Fitsarana avo ny Loholona ka tompon-toerana ny roa  ary mpisolo toerana ny roa. Efatra no isan’ny kandida tamin’io toerana io, ka lany ho solontena tompontoerana ny Loholona isany Manjany Bienveny sy Ramparison Luc, mpisolotoerana kosa ny Loholona isany Ramahavalisoa Hanitra Eliane sy Rasamoelina Brigitte.

Ny mpisolovava Raharinarivonirina Maria Sylvie kosa tamin’ireo kandida niisa 15 nifaninana no voafidy ho solontenan’ny Antenimierandoholona eo anivon’ny CENI. Efa mpikambana taloha tao amin’ity rafitra ity fahatetezamita (CENI-T) izy no izao tafaverina izao.

Ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita, Pierre Lenoble kosa no voafidin’ny Loholona tamin’ny alalan’ny latsa-bato miafina tamin’ireo kandida niisa 13, ho solontenany eo anivon’ny HCDDED.

Ny fifidianana ireo solontena roa an’ny Antenimierandoholona eo anivon’ny HCC no namarana ny fifidianana omaly. Niisa 29 ireo nirotsaka hofidiana, nisy nitsoaka an-daharana. Taorian’ny fanisam-bato dia Tiandrazana Jaobe Hilton, izay efa kandida nirotsaka hofidiana ho solontenan’ny HCC eo anivon’ny CENI sy Randriamorasata Sahondra no voafidy. Manao fianianana ireo mpikambana vaovao mialoha ny handraisany ofisialy ny asan’izy ireo avy.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT