Nifarana omaly alakamisy 25 febroary ny fivoriaa manokana natrehan’ireo loholona tetsy Anosikely.
Ny talata teo no nanomboka izy ity taorian’ny fankatoavan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ilay fitsipika anatiny sy nifidianana ireo birao maharitra fanampiny ao amin’ity andrim-panjakana ity, fifidianana izay mbola nanjakan’ny HVM moa. Nambaran’ny filohan’ny antenimierandoholona ny Pr Honoré Rakotomanana omaly nandritra ny kabary famaranana nataony fa ara-dalàna ny fananganana ny birao maharitra. Rariny sy hitsiny raha niainga tamin’ny fitsipika anatiny tamin’ny 2008 isika satria iny aloha no nisy teo, hoy izy. Efa neken’ny HCC moa ny fitsipika anatiny vaovao na dia nisy fanamarihana vitsivitsy ihany aza, koa dia iny indray izany no hampiasaina. Ho any amin’ny faritra misy azy avy tsirairay avy ireto loholona ireto hijery ny zava-misy, ka nampatsiahy ny filoha fa tena fitaratra izany loholona izany, fitaratra amin’ny toe-tsaina, ny zavatra atao ary ny hatsarana. Dia ho hita eo izany e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.