Feno iray volana katroka ny nitsanganan’ny Antenimierandoholona tao anatin’ity Repoblika fahefatra ity.
Tafapetraka avokoa ireo rafitra fampandehanan-draharaha ao. Nisy omaly ny fihaonan’ireo mpiasa sy ny mpikambana avy amin’ny Birao Maharitr’ity Andrimpanjakana ity, notarihan’ny Filohany Honoré Rakotomanana tetsy amin’ny Lapa Anosikely ho fandaminana asa.
“Antenimierandoholona fitaratra” no teny filamatra hamerenana indray ny hasin’ity Andrimpanjakana ity manomboka izao. Nentanina ny tsirairay hanana “conscience professionelle”, hazoto miasa, hanana fahaizana ary fahamendrehana eo am-panatanterahana ny asa tandrify azy avy na avy amin’ireo mpiasa na avy amin’ireo tompon’andraikitra ihany koa satria ny Antenimierandoholona dia Andrimpanjakana faharoa eto anivon’ny firenena izay misahana manokana ny Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana manerana ny Nosy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.