Hahena hatrany amin’ny 50% ny mpiasa ao amin’ny Antenimierandoholona Anosikely satria be loatra. 600 mahery izy ireo ankehitriny, izany hoe horoahana ny 300.
Misy ny zavatra mampiahiahy ary efa hatramin’ny faran’ny taona 2015 no nanara-maso akaiky ity andrim-panjakana ity ny Bianco. Misy, ohatra, ireo mpiasa misandoka diplaoma kanefa mitazona toerana ambony. Efa tratra ihany koa ny mpiasa matoatoa miisa 60 izay tapaka karama avy hatrany tamin’ity volana martsa ity. Ankoatra izay, mpiasa 30 no halefa hiasa any amin’ny rantsamangaikan’ny atenimierandoholona any amin’ny faritra. Andrasana ny tohin’ity raharaha ity. Azo antoka fa tsy maintsy nisy ny tompon’andraikitra niray tsikombakomba tamin’reo mpiasa sasany nampiasa diplaoma sandoka ireo sy niaro ihany koa ireo mpiasa matoatoa, mandray karama fotsiny tao amin’ny antenimerandoholona kanefa tsy manana anton’asa mazava ao akory.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.