Politique

Antenimierandoholona – Minisiteran’ny fitsarana Hiara-kiasa amin’ny fampiharana ny lalàna


  • Zoma 08 Septambra 2017

Tonga nitsidika tamim-pomba fifanajana ny filohan’ny Antenimierandoholona sady mpampianatra lalàna Rakotomanana Honoré tetsy amin’ny lapan’Anosikely, omaly, ny minisitry ny fitsarana Rasolo Elise Alexandrine.

Nifantoka tamin’ny ho fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpanatanteraka sy ny andrimpanjakana izay efa nisy ary mbola hitohy eo amin’ny roa tonta, indrindra eo amin’ny lafiny tsy fandriampahalemana amin’ny fankatoavana ny DINA hifanaraka amin’ny lalàna manan-kery ka hametrahana fandriampahalemana maharitra eto Madagasikara ny  diniky ny roa tonta. Samy niaiky ny roa tonta fa manana andraikitra amin’ny fampiharana ny lalàna ny minisiteran’ny ny fitsarana, indrindra ny fanafoanana ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Mitaky fiaraha-miasa hentitra eo amin’ny andrimpanjakana roa tonta izany satria io tsy fandriampahalemana io no vato misakana ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Tsy noresahana kosa ny raharaha mahakasika ny senatera Riana Andriamandavy VII.

Nangonin’i Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT