Mikorontana ambony ambany ao amin’ny antenimierandoholona. Ao anatin’ny fivoriana ara-potoana faharoa ity andrim-panjakana ity ankehitriny,
saingy na ny resaka lahadinika aza tsy voadinika hatreto. Tsy mbola nisy ny “conférenence des présidents” tokony hatao. Ny fifampiresahana any ambadibadika na ilay antsoina hoe « lobbying » kosa mandeha ihany. Ny resaka kajin’ny HVM amin’ny hanoloana ny filohany ka handakana an’i Honoré Rakotomanana sy hanendrena an’i Rivo Rakotovao no voalaza fa antony. Efa tsikaritra ho lasa anjorom-bala mihitsy ny filohan’ny Antenimierandoholona ankehitriny hatramin’ny nanendrena an’i Rivo Rakotovao ho loholona. Tsikaritra io nandritra ny lanonam-panokafana ny fihaonamben’ny zanaka am-pielezan’i Madagasikara na ny “Forum de la Diaspora” tanterahina eny amin’ny tanàna Voara Andohatapenaka ny alakamisy lasa teo. Tonga teny an-toerana ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra narahina mpikamban’ny governemanta vitsivitsy. Tonga teny ihany koa ny filohana andrim-panjakana nahitana ny filohan’ny antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy sy ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana Jean Eric Rakotoarisoa, fa tsy mba hita kosa ny filohan’ny Antenimierandoholona Honoré Rakotomanana. Nanaraka ny arofenitra tsara ny filahatr’ireo olona ambony ireo, saingy ny nahagaga dia ny nahita an’i Rivo Rakotovao toa naka ny toeran’ny filohan’ny antenimierandoholona. Loholona tsotra ny tenany, saingy heverina fa nisolotena ny antenimiera misy azy, raha jerena amin’ny resaka arofenitra. Tsy misy lanjany ve ireo mpikamban’ny Birao maharitra, izay afaka nisolotena ny filoha raha tsy afaka izy sa mba kisendrasendra fotsiny no nahateo an’i Rivo Rakotovao ? Izao tokoa izany no tonga amin’ilay fitenenan’i Claudine Razaimamonjy hoe izahay izao no eto amin’ny fahefana, ka dia tsy misy intsony izany fanajana arofenintra izany ? Re ankehitriny fa efa manomboka mametraka ny toerany ho “deba” ao anatin’ny antenimierandoholona i Rivo Rakotovao, ka na ny HVM sasany aza tsy dia faly aminy. Efa resaka mandeha ny fisian’ny ady mangatsiaka eo aminy sy Riana Andriamandavy VII, izay voalaza fa efa mikatsaka mafy ho filohan’ny antenimierandoholona ihany koa. Mety halefa ho ambasadaoro kosa i Honoré Rakotomanana ho tambin’ny fanonganana azy.
Légende : Efa tsy tafiditra ao anaty lisitra intsony ve izany i Honoré Rakotomanana fa nasolo tsimoramora an’i Rivo Rakotovao (sisiny avanana indrindra)?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.