« Zava-dehibe ny fisian`ny loholona ary ilaina ny fifandanjan’ny fahefana mpanatanteraka sy mpanao lalàna izay misaraka mazava tsara ao anatin`ny lalàmpanorenana », hoy ny loholona Ramparison Luc.
Anisan`ny mandray andraikitra lehibe eo amin`ny fampandehanan-draharaham-pirenena araka ny tokony ho izy ny fisian`ny Antenimierandoholona. Nisy ny lesoka hita teto amin`ny firenena toy ny tsy fahafantaran`ny olom-pirenena ny tena andraikitra andrasana amin`izy ireo sy ny antom-piasiany ka nahatonga ny fanakianana samihafa. Miankina kosa amin`ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena ny hoavin`ity andrim-panjakana ity. Araka ny nambaran`ny loholona Ramparison Luc, ny Antenimierandoholona dia andrim-panjakana mariky ny demokrasia. Ny tany rehetra manaja ny feon`ny vahoakany dia tokony hanaraka ny hevitry ny loholona na amin`ny sehatra ara-toekarena na ara-politika. Notsipihiny fa ilaina ny izy mba hisian`ny adidin`ny loholona amin`ny fiainam-pirenena. Nanamafy Ramparison Luc fa ny filoham-pirenena dia efa niteny fa tsy horavana io andrimpanjakana fa hahena ny tetibola arakaraka ny fandehan`ny toedraharaha satria tsy hisy intsony ny hanara-maso ny governemanta raha toa ka foanana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.