«Tsy mbola naharay taratasy avy any amin’ny fitsarana mikasika ny loholona Lylison René de Rolland hatramin’ny omaly tamin’ny 11 ora sy 25 minitra ny birao maharitry ny Antenimierandoholona»,
hoy ny filohany Rakotomanana Honoré. Tsy fantatra mazava rahateo ny karazana fanadihadiana tontosain’ny fitsarana hatramin’izao. Tsy maintsy lazain’ny mpanadihady amin’ny antsipirihany ao anatin’ny taratasy alefa amin’ny birao maharitra kosa ny anton’ny heloka fanenjehana ilay olom-boafidy ka hanalana ilay zo parlemantera tsy azo kitihana. Miara-manapa-kevitra ireo mpikambana ao anatin’ny birao maharitra raha sendra io tranga io, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierandoholona. Tanjon’ny fifampiresahana tamin’ny senatera Lylison René de Rolland moa ny hitadiavam-bahaolana maharitra manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena, araka ny fanampim-panazavana voaray teny an-toerana taorian’ny dinidinika notontosain’izy ireo omaly maraina. Ho fantatra amin’io herinandro ho avy io kosa ireo solontenan’ny Antenimierandoholona eo anivon’ireo rafitra samihafa toy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny Filankevitry ambony miaro ny Demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalàna, ny Fitsarana Avo na ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana voalazan’ny Lalàna fototra, araka ny fanampim-panazavan’ny lehiben’ny andrimpanjakana mpanao lalàna eny Anosikely.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.