Norombahan’ny HVM avokoa ny toeran’ireo birao maharitra nofidiana omaly satria ankoatra ny filohan’ny antenimierandoholona izay loholona notendren’ny filoham-pirenena ary kandida tokana natolotry ny HVM,
dia mbola ny olona avy amin’ity antoko ity ihany no lany ho filoha lefitra voalohany dia i Dr Kolo Roger, filoha lefitra faharoa i Malbenoît, kestora hikirakira ny vola i Abdirassoul Mohamed Mourad ary mpampiaka-teny i Betina Bruno. Tsara homarihina fa anisan’ny nandrotsa-bato ho an’i Honoré Rakotomanana ireo loholona 3 avy amin’ny TIM. Raha nandeha ny fifidianana filoha lefitra faharoa dia nandrotsaka an-dRamatoa Olga Ramalason ny TIM amin’ny anaran’ny fisokafana sy ny fanoloran-tanana ary noho ny fihavanana kanefa dia tsy nisy afa-tsy vato 4 no azony. Re fa henjana ny toromarika fa dia ny kandida natolotry ny HVM ihany no tsy maintsy fidina, dia lany moa Atoa Malbenoît. Manidy trano tanteraka aloha izany ny antokon’ny fitondrana hatreto na dia nikabary momba ny fisokafana hisy ao amin’io antenimieran-doholona io aza ny filoham-pirenena. Mbola hisy moa ny fivorian’ny vaomiera anio ka tsy maintsy hokitihana ilay fitsipika anatiny izay efa tamin’ny 2008, ka mbola ho avy indray ny fifidianana hafa, satria raha tokony ho izy dia misy filoha lefitra isaky faritany enina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.