Politique

Antenimierandoholona Honoré Rakotomanana sy Riana Andriamandavy VII no hitarika


  • Talata 09 Febroary 2016

Hivory manokana ny Antenimierandoholona manomboka anio.

 

Fivoriana hifidianana ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra sy ny fitsipika anatiny. Ny zokiolona sy ny zandriolona indrindra amin’ireo mpikambana miisa 63 mandrafitra ny Antenimierandoholona no hitarika ny fivoriana fanokafana. Ny loholona Honoré Rakotomanana notendrena tamin’ny anaran’ny filohan’ny Repoblika no zokiolona amin’izy 63, ny loholona Riana Andriamandavy VII, lohalisitry ny HVM tao amin’ny faritanin’i Fianarantsoa kosa no zandriolona indrindra.

Tanterahina ny talata faharoa aorian’ny nanendren’ny filohan’ny Repoblika ireo Loholona miisa 21 famenon’ireo senatera voafidy miisa 42 mandrafitra ity andrimpanjakana ity. Anio 9 febroary no hisokatra ny fivoriana ary haharitra 12 andro raha ela indrindra, mifarana kosa ny fotoam-pivoriana vantany vao tapitra ny lahadinika.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT