Politique

Antenimierandoholona Ho fitaratra amin’ny fitantanana mahomby


  • Talata 05 Aprily 2016

Nitombo avo 7 heny be izao ny mpiasa ao amin’ny Antenimierandoholona tao anatin’ny 15 taona.

 

88 monja no isan’ireo olona nampihodina ity andrimpanjakana ity tamin’ny taona 2001. Mahatratra 605 kosa ankehitriny ny fitambaramben’izy ireo amin’izao fotoana izao. Antony iray lehibe nahatonga izany ireo mpikambana marobe nandrafitra ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Fanambin’ny birao maharitra vaovao anefa ny fampanjakana ny antsoina hoe «Antenimierandoholona fitaratra». Natomboka tamin’ny fanadihadiana ireo mpiasan’ity andrimpanjakana mpanao lalàna eny Anosikely ity ny asa fanadiovana. Manaraka io avy hatrany ny dingana fanafoanana ny resaka politika amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana ho fanomezan-danja ireo fonksionera teknisianina. Fandraisana andraikitra vinavinaina ahitam-bokatra amin’ny faran’ny volana aprily, araka ny fanazavan’ny kestora voalohany Abdourassoul Morad. Eo ihany koa ny eritreritra fanatsarana ny lapa fiasan’ireo loholona eto Madagasikara manerana ny nosy. Sarotra ny lalan-kizorana saingy tsy hihemotra amin’ny tamberinan’andraikitra fanompoana ny firenena sy ny vahoaka ny eto anivon’ny Antenimierandoholona, hoy ny filohany Rakotomanana Honoré. Azontsika halain-tahaka tsara i Rwanda, firenena rotiky ny ady an-trano nefa misongadina aty Afrika ankehitriny noho ny fitantanana mahomby, ny mangarahara ary ny tany tan-dalàna, hoy ireto loholona tompon’andraikitra ireto.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT