« Amin’ity herinandro ity », hoy ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina omaly teny Tsimbazaza, raha nanontanian’ny mpanao
gazety ny fotoana hanendreny ireo Senatera miisa 21 ambiny hameno ho 63 ireo mpikambana handrafitra ny Antenimierandoholona voalohany ao anatin’ity Repoblika faha-4 ity. Loharanom-baovao hafa no milaza fa mety ho rahampitso alarobia mandritra ny filankevitry ny minisitra no hivoahan’izany anarana senatera hotendren’ny filoha izany, araka ny fahefana omen’ny lalampanorenana azy. Hihazo an’i Addis Abeba hamonjy fivorian’ny Vondrona Afrikanina ny filoha aorian’izay. Mpikambana ao amin’ny governemanta ny sasany amin’izy ireo, ankoatra ireo hosafidiana amin’ireo fangatahana maherin’ny 400 maniry hotendrena ho Senatera.
Efa nambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana tamin’ny zoma 22 janoary lasa teo ny anaran’ireo Senatera miisa 42 nofidian’ny mpifidy vaventy, ka ny 34 avy amin’ny antokon’ny fitondrana HVM, ny 3 an’ny Tiako i Madagasikara, 2 an’ny MAPAR ary 1 avy ny an’ny Leader Fanilo, Fanorolahy ary ny Mifanasoa. Vehivavy ny 7 amin’izy 42 voafidy ireo, ka avy ato amin’ny Faritanin’i Antananarivo ny 3, Toamasina ny 2, Antsiranana ny 1, Mahajanga ny 1. Tsy voasolotena kosa ny vehivavy tao amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa sy Toliara.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.