Lany omaly alatsinainy 5 desambra 2016, teny amin’ny Lapan’Anosikely, ny volavolam-pandaharam-potoana manaraka ho an’ireo eny anivon’ny Antenimierandoholona,
ahitana volavolan-dalàna maromaro. Tapaka fa ny fihaonan’ireo Loholon’i Madagasikara amin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny governemanta Malagasy hotarihan’ny praiminisitra Solonandrasana Olivier dia hotanterahina anio talata 6 desambra 2016 amin’ny 3 ora tolakandro ary ny fandaniana ny lalàna momba ny tetibolam-panjakana 2017 kosa dia hotontosain’ireo loholona rahampitso alarobia 7 desambra 2016.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.