Fifidianana ! Izay no hanamarika ity tontolo andro ity ao amin’ny Lapa Maitso Anosikely.
Anjaran’ireo Senatera anio no hifidy izay ho solontenan’ny Antenimierandoholona eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tsara tantana (HCDDED) ary ny Fitsarana avo (Haute Cour de Justice). Ankoatra ny HCJ izay Loholona no kandida hofidiana, dia misokatra amin’ny besinimaro ny firotsahan-kofidiana amin’izay hisolotena ny Antenimierandoholona amin’ireo andrimpanjakana hafa. Ho an’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fotsiny izao, dia manodidina ny efapolo ireo mpilatsaka hofidiana anio, hifaninana amina toerana roa.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.