Nihaona tamin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Honoré Rakotomanana tetsy amin’ny Lapan’Anosikely omaly alakamisy 2 Jona ny Solontena avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena miasa sy monina eto Madagasikara Ramatoa Coralie Gevers.
Ity no fihaonana voalohany teo amin’ny roa tonta. Zava-dehibe, hoy Rtoa Coralie Gevers ny fiverenan’ny Antenimierandoholona, andrimpanjakana izay mampisy ny Demokrasia eto Madagasikara ary mampanjaka indray ankehitriny ny fangaraharahana sy mampisy ny tamberin’andraikitra eto amin’ny firenena Malagasy. Notsindriany manokana fa laharam-pahamehana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, dia ny Banky Iraisam-pirenena sy ity Andrimpanjakana faharoa ity.
Rakotomanana Honoré kosa dia nanatsidika fa ny hahasoa an’i Madagasikara no jerena ka miasa ho an’ny Vahoaka sy ny Firenena ny Antenimierandoholona, ary ny fikatsahana Fampandrosoana ho an’i Madagasikara amin’ny sehatry ny Fambolena sy Indostria no nisongadina tamin’izany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.