Politique

Antenimieram-pirenena Volavolan-dalàna telo no lany omaly


  • Sabotsy 03 Martsa 2018

Depiote nanodidina ny 50 no tonga namonjy ny fivoriana nitambarambe omaly zoma 2 martsa 2018.

Volavolan-dalàna 3 no nolanian’ireo depiiote tao anatin’ny fivoriambe azon’ny besinimaro natrehina, notarihan’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Atoa Jean Max Rakotomamonjy.

Tao ny Volavolan-dalàna n°049/2017 tamin’ny 08 desambra 2017 Mikasika ny fidiran’i Madagasikara ho mpikambana ao anatin’ny AIIB (Asian Infrastructure Investment Bank) izy io izay manana firenena mpikambana 80 ao aminy.

Ny faharoa dia ny volavolan-dalàna n° 052/2007 tamin’ny 21 desambra 2017 autorisant la ratification de l’Accord de Prêt relative au financement du projet de moderation des réseaux routiers de Madagascar, conclu entre le République de Madagascar et la Banque Européenne de l’Investissement (BEI). Ny tanjon’ity fifanarahana ity dia ny fanatsarana ny lalana any amin’ny faritra avaratra sy atsimon’ny nosy, indrindra ny lalana mihazo ny seranan-tsambon’ireo faritra ireo. Ny fahatelo farany dia ny volavolan-dalàna  n°053/2017 autorisant la ratification de l’Accord de Prêt relative au financement du projet “JIRAMA ANDEKALEKA HYDRO EXPANSION” entre la République de Madagascar et la Banque Européenne de l’Investissement (BEI). Ity volavolan-dalàna ity dia natao mba hanampiana 33,2 MégaWatt ny famatsiana herinaratra ao Andekaleka amin’ny alalan’ny fametrahana “Turbine” fahefatra.

 

Ny volavolan-dalàna n° 002/2018 du 24 janvier 2018 modifiant et complétant certaines dispositions de loi n°2014-020 du 27 septembre 2014 relative aux ressources des Collectivités Territoriales Décentralisées, aux modalities d’éléctions, ainsi qu’à l’organisation, au fonctionnement et aux attributions de leurs organes  kosa dia tapaky ny solombavambahoaka tonga nivory fa hahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fandaniana azy.

 

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT