Politique

Antenimieram-pirenena Volavolan-dalàna 8 nolaniana tanatin’ny roa andro


  • Sabotsy 02 Desambra 2017

Mitohy hatrany ny asan’ireo solombavambahoaka eo amin’ny fandaniana ireo volavolan-dalàna voalahatra tao amin’ny fandaharam-potoana iasany nanomboka ny 6 novambra 2017 lasa teo ka hatramin’ny alatsinainy 4 desambra 2017 ho avy izao.

 Ny alarobia 29 novambra 2017 dia nolanian’ireo solombavambahoaka tonga nivory tamin’ny fivoriambe azon’ny besinimaro natrehina izay notarihan’ny filoha lefitra Razafindravelo Hermann ny volavolan-dalàna N°016/2017 tamin’ny 13 jona 2017 mikasika ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena sy ny resaka lalàna sy sazy mifandraika amin’izany, izay zava-baovao tokoa. Talohan’izao lalàna izao mantsy dia fifandraisana amin’ny samy firenena no nisy fa tsy mbola nisy Lalàna mahafaoka zavatra maro toy izao. Ny alakamisy 30 novambra 2017 nanomboka tamin’ny 10 ora maraina dia lany teo anivon’ny Antenimieram-pirenena  ny volavolan-dalàna miisa 7. Anisan’izany ny volavolan-dalàna N°029/2017 tamin’ny 11 oktobra 2017 mikasika ny fiarovana ara-tsosialy, volavolan-dalàna momba ny  N°025-2017 tamin’ny 27 septambra 2017 mikasika ny famatsiam-bola madinika.  Tamin’ny fivoriambe azon’ny besinimaro natrehina no nandaniana ireo volavolan-dalàna ireo tao anatin’ny roa andro, nifandimbiasan’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ireo mpikambana ao amin’ny Birao maharitra nitarika. Tonga nanatrika ny fivoriana ny minisitra tsirairay voakasika amin’ny volavolan-dalàna. Miandry ny ho vokany ny rehetra satria efa tsy tambo isaina ny volavolan-dalàna nolaniana, saingy tsy hita izay tena vokany sy fampiharana azy matoa mbola tsizarizary toy izao hatrany ny fiainan’ny Malagasy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT