Lany omaly, nandritra ny fivoriana itambarambe, teo anivon’ny Lapan’i Tsimbazaza, ny volavolam-pandaharam-potoana iasan’ny Antenimieram-pirenena manomboka ny 25 oktobra 2017 ka hatramin’ny 27 novambra 2017.
Nitarika izany ny filohan’ny Antenimierampirenena Rakotomamonjy Jean Max notronin’ireo mpikambana roa ao amin’ny birao maharitra. Hanomboka anio alakamisy 26 oktobra ka hatramin’ny talata 31 oktobra dia volavolan-dalàna miisa valo no hodinihin’ireo solombavambahoaka amin’ny asam-baomiera. Hanomboka ny alakamisy 2 novambra kosa ny fandaniana volavolan-dalàna miisa 13, ary hitohy hatramin’ny 22 novambra 2017 amin’ny fivoriambe azon’ny besinimaro atrehina. Tsy mbola ao anatin’ireo ny lalàna hifehy ny tetibola 2018, izay antom-pivoriana amin’izao fivoriana ara-potoana faharoan’ny parlemanta izao, araka ny voatondron’ny lalàmpanorenana. Ny alakamisy 23 novambra sy zoma 24 novambra no hotanterahina ny fihaonana eo amin’ireo solombavambahoaka sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta. Hivory indray ny birao maharitry ny antenimieram-pirenena ny alatsinainy 27 novambra 2017.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.