Politique

Antenimieram-pirenena Tsy maika hifidy ireo ho solontenany ao amin’ny HCC


  • Talata 29 Jolay 2014

Hitodika eny Tsimbazaza indray ny sain’ny mpanara-baovao maro manomboka rahampitso. Hivory tsy ara-potoana ireo Solombavambahoaka. Hanomboka amin’ny alarobia 30 jolay ny fivoriana, tsy voalaza kosa ny faharetany

. Raha mandinika tetibola dia 15 andro raha fohy indrindra ny fe-potoam-pivorian’ny Antenimieram-pirenena, araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana. Raha tsy misy ny fiovana dia ho anisan’ny lahadinika amin’ity fivoriana tsy ara-potoana ity ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola sy ny tetibola taona 2014 ankoatra ireo lalàna hifehy ny vondrombahoakam-paritra avy nanaovana fikaonandoham-pirenena teny amin’ny CCI Ivato farany teo. Fa ankoatra io dia fantatra izao fa tsy ho anisan’ny lahadinika amin’io fivoriana tsy ara-potoana io ny fifidianana ireo solontena roa an’ny Antenimieram-pirenena ho mpikambana eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), raha efa voatendry kosa ireo solontena telon’ny Filohan’ny Repoblika, ary efa voafidy, fa miandry didim-panjakana fanendrena, ireo solontena roa an’ny Filankevitra ambony momba ny Mpitsara. Tsiahivina fa miisa sivy ny mpikambana eo anivon’ny HCC araka ny voafaritra ao anatin’ny lalàmpanorenana malagasy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT