Raha ny votoatiny vitsivitsy monja ao anatin’ilay fitsipika anatiny vao nolanianay solombavambahoaka ny alatsinainy teo no asian-teny, hoy ny depiote tsy miankina avy any Toliara i Helson Brisson Erafa, dia azo ambara fa tsy azo ihodivirana ny hanaovana fifidianana hafa indray hanoloana an’ireo mpikambana ao amin’ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena izay rava ho azy noho ity fitsipika anatiny ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.