Hafahafa raha ny toe-draharaha eny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza eny ankehitriny.
Taorian’ny fivorian’ny birao maharitra omaly maraina mantsy dia soratra nivandravandra no hita teo amin’ny tabilao filazan-draharaha fa fivoriana tsy azo atrehana no hataon’ireo solombavambahoaka anio talata maraina. Fanapahan-kevitry ny filoha manokana na ny birao maharitra tsy nakana fanakatoavan’ny depiote izy io raha ny tombana avy ety ivelany ka azo ambara fa tsy mandeha amin’ny laoniny ka tsy ara-dalàna fotsiny tsotra izao. Raha ny feo mandeha eny amin’ity Lapa ity dia misy an’izany fikononkononana fanangonan-tsonia hanaovana fitsipaham-pitokisana ny governemanta izany ao an-dapa ao. Ilay fananganana vondrona parlemantera moa izay voalaza fa tokony ho anio no tena hanaovana azy farany dia asa na ho tanteraka indray na tsia fa mbola mandeha ny kajikajy samihafa eny amin’ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity. Miandry sy mihaino isika mianakavy, hoy ny Anglisy !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.