Nahagaga ny mpanara-baovao politika eto amintsika fa ireo solombavambahoaka mpanohatra toa an-dry Fidèle Razarapiera avy any Ambatondrazaka sy ireo
solombavambahoaka manana fironana afovoany toa ny depiote isany Nicolas Randrianasolo avy any Betroka sy Narison Rafidimanana avy any Antanifotsy indray no nanohana ampahibemaso ny “version originale” ny volavolana tetibolam-panjakana 2020 laharana 005/2019 nankatoavin’ny filankevitry ny governemanta hodinihan’ireo parlemantera 2 tonta ka nankato avy hatrany ny fampakarana ny tataon-ketra ankapobeny ho fiarovana ny orinasa Malagasy toy ny Savonnerie Tropicale sy Star ohatra fa ny ankamaroan’ny depiote Irk nieritreritra ny hitazomana ny tataon-ketra ambany izay hiteraka olana lehibe ho an’ny fanjakana Malagasy amin’ny mety tsy ho fahampian’ny vola miditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.