Nisy fanamarihana manokana mikasika ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny nifanaovan’ireo depiote tonga nivory teny Tsimbazaza omaly
ary nisy taorian’ny fivoriana nitambaram-be ny fivoriana nihiboka izay nampiaka-peo depiote maromaro noho nyzava-misy iainana eto amin’ny firenena ankehitriny toy ny tsy fandriampahalemana, ny loza voajanahary maro samihafa ary ny fihanaky ny valan’aretina pesta ka heno avy aty ivelan’ny Lapa fivoriana mihitsy izany. Fantatra avy amin’ny resadresaka nifanaovana tamin’ireo depiote sasantsasany toy ny depiote Razafitsiandraofa Jean Brunel avy any Ikongo fa tokony hataon’ny eny amin’nyAntenimeram-pirenena sy ny mpanatanteraka vaindohan-draharaha mihitsy ny amin’ity resaka pesta ity fa miriorio be tsy mahatombina ny sain’ny vahoaka amin’izy io ankehitriny. Ny depiote Randriamampianina Ramilison avy amin’ny TIM avy any Antanifotsy kosa dia nanamarika fa mijaly ny vahoaka raha ny fisehoan’ireo loza voajanahary notaterin’ireo depiote manerana ny nosy ka tokony hivavaka sy hiray hina hoentina hampandroso ny firenena. Aoka ireo izay marary hanatona ny tobim-pahasalamana akaiky azy, hoy ity depiote ity, fa ny fandosirana an’izany dia fanatonana fahafatesana. Ny solombavambaoka Jean Michel Henri Mapar avy any Ambovombe Androy kosa dia nilaza mazava fa efa misy paipaika voafaritry ny lalàmpanorenana amin’ny fikitihana azyio. Heverinay fa tsy fotoana hikitikitihana azy io intsony amin’izao vanim-potoana misy antsika izay efa manatomotra ny fahataperan’nyfe-potoam-piasan’ny fitondrana ankehitriny izao, hoy izy. Tsy resy lahatra amin’ny fomba fiasan’ny governemanta amin’ny ady amin’ny fihanaky ny valan’aretina pesta izahay fa tokony hetsehina avokoa ny rantsamangaikan’ny ao amin’ny sehatry ny fahasalamana hamongorana an’ity valan’aretina ity. Hantsoinay hifampidinika sy hitondra fanazavana etyTsimbazaza avokoa ireo minisitra voakasiky ny toe-draharaha, hoy ity depiote Mapar ity namarana ny fanehoan-keviny.
NtsoavinaEvariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.