Politique

Antenimieram-pirenena Tsimbazaza Mitady ho lasa « Antenimihira »


  • Alatsinainy 11 Martsa 2019

Ekena tokoa fa efa saika nahitana artista daholo ny antenimieram-pirenena nandalovan’ireo repoblika nisy teto amin’ny firenena.

 

 

Nalaza ny fandresen’ny kandidan’ny Maha olona, Zafimahaleo Rasolofondraosolo na Dama, ny kandidan’ny Manda tehezana teto Antananarivo ny taona 1992 sy ny mbola nandreseny koa tany Ambatofinandrahana ny taona 1996. Efa nandalo tao koa ny Tompokolahy Guillaume Rabesaiky na Om-guy izay nisolo vava ny Vahoakan’Ambohimahasoa tamin’ny fotoan’androny. Ny depiote Fandrama tao anatin’ny repoblika fahatelo. Toy izany koa ny depiote Rossy na Paulbert Ramasimanana sy Aina Rafeno, fantatry ny rehetra amin’ny hoe Anyah. Ireto roa farany moa isan’ny nalaza tao anatin’ny fiandohan’ny repoblika fahaefatra ary mpiaradia amin’ny fitondrana ankehitriny hatrany no hahafantarana azy hatreto. Asa hoe iza amin’izy mianadahy no mbola ho kandidam-panjakana raha mbola hirotsaka fa raha izay aloha izany no mitranga dia mety ho hafa noho izay rehetra nandalo ny antenimieram-pirenena malagasy amin’ity indray mitoraka ity manoloana ireo mpanakanto marobe noho ny efa nisy nanambara ny firotsahany ho depiote sy ireo efa nametraka dosie. Heno izany aloha hatreto, ohatra, fa i Dadi Love mety hilatsaka ao Antsohihy. Jerry Marcos ao Antalaha. Smaven ao Sambava. Tsiliva ao Morondava. Jean Aime ao Marovoay. Floginot Bezara ao Marovoay. Ny kandida Justin Vali moa vao nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany tetsy Andramasina ny sabotsy teo. Mitady ho lasa « antenimihira » izany, hoy ny vazivazin’ireo mpanara-baovao ny eny amin’ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza eny, ary ho rakotr’Artista atsy ho atsy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT