Politique

Antenimieram-pirenena Tsimbazaza Famaranana fivoriana hafakely


  • Alatsinainy 18 Jolay 2016

Tsy maintsy nofaranana ny sabotsy 16 jolay teo ny fivoriambe tsy ara-potoana natrehan’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara na dia nisy lalàna roa goavana aza tsy mbola ny niadian-kevitra

 

. Tapitra tamin’io andro io mantsy ny fe-potoana 12 andro voatondron’ny lalàna hanatanterahana azy raha be indrindra.  Ao izany ny lalàna mikasika ny fampihavanam-pirenena ary koa ny lalàna manangana fitsarana manokana natokana hitoriana ireo nitantana ny firenena 2002-2009, lalàna entina hanilihana ny hafa tsy handray anjara an-kitsirano izao. Hahemotra izany ny fandinihana azy ireo satria 33 no nandany fa hahemotra raha 20 nilaza fa haroso ny amboletra ary 4 tsy maneho hevitra.

Dia nahagaga, hoy ny nanatri-maso fa tsy nahitana mpanao gazety tamin’iny lanonam-pamaranana teny Tsimbazaza ny sabotsy teo iny, tsy nisy mpikambana tao amin’ny governemanta nanatrika koa afa-tsy ny minisitry ny fitsarana ary zara raha nisy solombavambahoaka tonga nivory. Misy tsy milamina ao amin’ity toerana fanaovan-dalàna ity matoa mitranga ireo toe-javatra ireo.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT