Politique

Antenimieram-pirenena Tonga eny koa ny fanapenam-bava ?


  • Zoma 24 Jona 2016

Nanao vaky bantsilana ny fitsabatsabahan’ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisitera eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena,

 

ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana amin’ny tandrifin’andraikitry ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-4 sady filohan’ny vondrona parlemantera Tiako I Madagasikara eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, Randriamandimbisoa Félix, nandritra ny tatitr’asa nataon’ny governemanta Solonandrasana Mahafaly Olivier teo anatrehan’ny depiote, ny talata 21 jona teo. Nanaovany fanamarihana ihany koa ny tsy ampandrenesan’ity fitondrana HVM ity ireo Parlemantera, izay olomboafidim-bahoaka amin’ny asa atao na fitokanana zava-bita ao amin’ny fari-pifidianana nahalany ny solombavambahoaka Tiako I Madagasikara. Noferan’ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena ho roa minitra moa ny fandraisam-pitenenan’ny vondrona parlemantera tamin’io, raha dimy minitra no nahazatra teny aloha. Tonga eny amin’ny Antenimieram-pirenena ihany koa ve ny fanampenam-bava ? Raha nitohy mantsy ny fandraisam-pitenenan’ity filohan’ny vondrona parlemantera Tiako I Madagasikara ity, dia azo antoka fa nanipy teny miantefa any amin’ny minisitry ny varotra sy ny minisitry ny indostria ary ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny vola ary ny tetibola ny amin’ny sakantsakana ataon’izy ireo, tsy hisokafan’ny orinasa Tiko sy ny Magro. Nopihina moa ny “micro” nitenenany, noho ny famerana fotoana nefa mba ireharehana ho Lapan’ny demokrasia io Antenimieram-pirenena io.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT